Vakio miaraka amin'i Akili - I icon

1.01 by Ubongo


Aug 29, 2023

About Vakio miaraka amin'i Akili - I

Fantaro i Akili sy ny namany ary ny zavatra tian’ny zareo atao!

INONA NY TIANAO ATAO?

Fantaro i Akili sy ny namany ary ny zavatra tian’ny zareo atao!

Iza no tia mitsambikina eny antampon’ny tendrimbohitra? Iza ilay mpandoko amin’ny paleta miloko maro? Ary iza ilay tsy mitsahatra mandihy?

Ho fantatrao izany rehetra izany ao anatin’ity tantara mahaliana ity. Hozarainao miaraka amin’i Akili ve inona no tianao atao?

FANDAHARAM-POTOANA

* MAMAKY mampiasa ny lentam-pahasarotana

* MANDINIKA teny, sary ary hevitra amin’ny alàlan’ny endri-javatra mifandray

* MIHAINO tantara feno sy fomba fiteny

* MIFANDRAY amin’ny mpilalao sy ny tontolo—Ianao no manao ny tantara

* AKILI sy ny namany no mitantara azy hatramin’ny farany

* MAZOTOA mianatra mamaky

MAIMAIM-POANA, TSY MISY DOKAMBAROTRA, TSISY VAROTRA AN-KERY!

Maimaim-poana ny atiny rehetra, noforonin’ny Curious Learning sy Ubongo..

NY FANDAHARAM-POTOANA AMIN’NY FAHITA LAVITRA – AKILI AND ME

Akili and Me dia kilalaon-tsaina amin’ny alàlan’ny sarimihetsika, noforonin’ny Ubongo, mpamorona ny Ubongo kids sy Akili and Me – fampianarana mahafinaritra vita tao Afrika, hoan’ny Afrika.

4 taona i Akili, ary mipetraka miaraka amin’ny fianakaviany izy eny am-pototry ny tendrimbohitra Kilimanjaro, ao Tanzania. Manana tsiambaratelo izy: rehefa tafatory izy amin’ny alina dia miditra ao amin’ilay tanàna mahagaga antsoina oe Lala Land, toerana hianarany sy ny biby namany, momba ny fiteny, litera sy isa ary zava-kanto, sady manatsara toetra no mifehy ny fihetsem-pony ary manova malaky ny fiainan’ny ankizy! Miaraka amin’ny fampielezana manerana firenena dimy, ary fanarahana azy mavitribitrika amin’ny aterineto, tian’ny ankizy maneran-tany mihitsy ny fianarana majika miaraka amin’i Akili!

Jereo ny horonan-tsary Akili and Me amin’ny aterineto ary tsidio ny tranonkala www.ubongo.org raha mandeha amin’ny firenenao ny fampianarana.

MOMBA NY UBONGO

Ubongo dia orinasa sosialy mamorona kilalaon-tsaina mampiasa ny teknolojia efa misy, hoan’ny ankizy ao Afrika. Manentana ny ankizy HIANATRA SY HITIA FIANARANA!

Manandratra avo ny herin’ny fialam-boly, ny fihitaran’ny haino aman-jery ary ny teknolojian’ny finday hanomezana fampianarana sy fanabeazana avo lenta.

MOMBA NY CURIOUS LEARNING

Curious Learning dia orinasa tsy mitady tombony, nitokana hampianatra hamaky teny sy hanoratra hoan’ireo olona te hianatra. Vondrona mpikaroka, mpamokatra ary mpanabe izahay, nitolo-tena hampianatra ankizy amin’ny fitenin-drazany maneran-tany amin’ny alàlan’ny porofo mivaingana sy antontan’isa voamarina.

MOMBA NY APPLI

Vakio miaraka amin'i Akili – Inona Ny Tianao Atao? Dia noforonin’ny sehatry ny Curious Reader, novokarin’ny Curious Learning hananganana traikefa famakiana manaitra sy mahaliana.

What's New in the Latest Version 1.01

Last updated on Aug 29, 2023

Updating for new Google policies and for newer device compatibility.

Translation Loading...

Additional APP Information

Latest Version

Request Vakio miaraka amin'i Akili - I Update 1.01

Uploaded by

Angela Mironova

Requires Android

Android 4.1+

Available on

Get Vakio miaraka amin'i Akili - I on Google Play

Show More

Vakio miaraka amin'i Akili - I Screenshots

Comment Loading...
Languages
Searching...
Subscribe to APKPure
Be the first to get access to the early release, news, and guides of the best Android games and apps.
No thanks
Sign Up
Subscribed Successfully!
You're now subscribed to APKPure.
Subscribe to APKPure
Be the first to get access to the early release, news, and guides of the best Android games and apps.
No thanks
Sign Up
Success!
You're now subscribed to our newsletter.